<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>145</hymn_number>
<title>Efa velona tokoa FFPM145</title>
<lyrics>[V1]
 Efa velona tokoa
 Hianao, ry Tomponay !
 Ka ny herinao tsy toha
 No manjaka hatrizay ;
 Fa ny fasana, ny ota
 Noresenao avokoa.
 Tantaraina mba hiely :
 // 'Zay no tokinay mpanota
 Tanjakay sy hery koa //

[V2]
 Efa velona tokoa
 Hianao, ry Tomponay !
 Lasa nanamboatra koa
 Fitoerana ho anay :
 Tany tsy mba misy ota
 Tsy hidiran'ny manjo ;
 // Tany soa sy madio
 Maharavoravo fo //

[V3]
 Efa velona tokoa
 Hianao, ry Tomponay !
 Ka misolo vava koa
 Sy mifona ho anay ;
 Ny Fanahinao omena,
 Mba hitari-dalana
 He ! ny sentonay dia renao,
 Jeso tena Havana.

[V4]
 Efa velona tokoa
 Hianao, ry Tomponay !
 Ary mbola ho avy koa,
 Avy mba handray anay
 Maminay, ry Tompo tsara ;
 Hiara-monina Aminao
 Eny, tena manan-jara
 'Zay mby eo akaikinao.</lyrics>
<author>G.C. Stebbins</author>
</song>